Mianatra eny amin‘ny Oniversite any Frantsa
Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny…
Indrisy fa vitsy dia vitsy ny tolotra sy taratasy azo fenoina misy amin'ny fiteny ankoatra ny frantsay any Frantsa. Tena ilaina ny fianarana teny frantsay ho an'ny sasany amin'ireo zavatra tsy maintsy ataonao, ary mety ho tena ilaina mba hahitana asa koa izany. Na manao ahoana na manao ahoana tsy fahaizanao miteny frantsay, dia misy vahaolana maro, na izany maimaimpoana na koa misy sarany.
Nohamarinin'i Émilie Mathieu-Benoit tamin'ny 30/05/2022
Raha tsy mahay teny frantsay ianao, dia misy safidy maro, na maimaimpoana na misy sarany, izay azo anampiana anao hahazo ilay fiteny, izay tena ilainao amin'ny fiainanao any Frantsa.
Arakaraka ny fandehan‘ ny fotoana, miampy ny fanazaran-tena tsy tapaka, dia afaka mianatra teny frantsay ianao na firy taona na firy.
Amin’ny ankapobeny, ny fitantanan-draharaha sy ny orinasa frantsay dia mitoky amin’ny fanasokajiana eoropeanina antsoina hoe Rafitra Eoropeanina Iombonana momba ny Fenitra eo amin’ny Fiteny “Cadre européen commun de référence pour les langues (CECRL)” mba hanaovana tombana ny fahaizanao ny fiteny vahiny.
Ity fanasokajiana ity dia misy ambaratonga enina manomboka amin'ny A1 ho an'ny vao manomboka ka C2 ho an'ireo efa tena mahay.
Rehefa mahazo taratasy manome alalana anao hijanona any Frantsa ianao antsoina hoe “titre de séjour” na fahazoan-dàlana ara-dalana hipetraka eo an-toerana, dia hangataka anao ny Biraon’ny Fifindra-monina sy Fampidirana ny hafa na “Office français de l’immigration et de l’intégration (OFII)” mba hanao sonia ilay fifanarahana antsoina hoe “contrat d’intégration républicaine (CIR)”.
Izy ity dia fifanarahana natao teo amin'ny fanjakana frantsay sy ny teratany vahiny iray izay maniry ny hipetraka maharitra any Frantsa, ary manaiky ny hiditra ao anatin'ny fiarahamonina frantsay.
Ao anatin‘izany toe-javatra izany dia:
Azonao atao ihany koa ny mitsapa ny fahaizanao amin’ny fisoratana anarana amin’ny fitsapam-pahaizana izay eken’ny fikambanana, toy ny oniversite sy ny manam-pahefana ara-pitantanana miandraikitra ny fandinihina ireny fangatahana mba hanana zo ipetraka eo an-toerana ireny, izay antsoina hoe “préfecture”.
Izany fitsapam-pahaizana izany dia mety ho:
Mety manomboka amin'ny 90 ka hatramin'ny 200 euros ny saram-panadinana miankina amin'ny ivon-toerana nofidiana sy ny isan'ny fitsapam-pahaizana natao.
Betsaka ny tolotra afaka manampy anao hianatra teny frantsay, na amin‘ny aterineto na mivantana.
Raha te hahita fampianarana maimaimpoana mifanaraka amin'nyfahaizanao ianao dia afaka manomboka amin'ny fangatahana amin‘ny lapan'ny tanàna eo an-toerana na “mairie” na fikambanana mpanao asa soa antsoina hoe “associations”, izay miompana manokana amin‘ ny zon'ny teratany vahiny.
Ny tranokala Refugies.info dia manome ny sarintany mikasika ny tanàna sy ny tanan-dehibe. Afaka milaza mikasika ny fahaizanao frantsay ihany koa ianao eto.
Maro ireo tolotra manome fampianarana teny frantsay amin‘ny aterineto.
Maimaimpoana ireny safidy ireny:
Misy safidy maro raha hianatra teny frantsay atrehina an-dakilasy
Raha te hitady ireo fampianarana maimaimpoana na amin’ny sarany mora manakaiky anao, dia azonao atao ny manontany ny manampahefana eo an-toerana na tanàna misy anao, izay fantatra amin’ny hoe “mairie”.
Indrisy anefa fa miovaova be ny fisian‘izany eo amin‘ny tanan-dehibe sy ny tanàna.
Fanampin’izany, misy ireo fikambanana izay antsoina hoe “associations” izay manome tolotra maimaimpoana. Afaka mikaroka amin‘ny aterineto ianao ka soraty ny hoe fianarana frantsay maimaimpoana na “cours de français gratuits” ary apetraho eo ny tanàna na tanan-dehibe misy anao.
Raha toa ianao voasoratra anarana amin’ny sampandraharaha manome fanohanana ireo olona tsy an’asa, izay antsoina hoe “France Travail”, dia afaka mahazo fampianarana teny frantsay maimaimpoana ianao. Miresaha amin’ny mpanolontsainanao eny amin’ny “France Travail”.
Betsaka ihany koa ny fikambanana manome fampianarana teny frantsay andoavam-bola.
Ohatra hoe, azonao atao ny:
Na dia fomba iray hianarana ny fototra aza ny fampianarana, dia amin'ny alalan'ny fanazaran-tena araka izay tratra ihany no hampandroso anao indrindra.
Ireto misy toro-hevitra vitsivitsy avy amin'ny olona ao amin'ny ekipan'ny Women for Women France izay efa nanao izany taloha:
Aza kivy. Raha ataonao isanandro ireny torohevitra ireny dia ho afaka ny mandroso bebe kokoa ianao ao anatin‘ny herinandro vitsivitsy.
Ny “France Travail” dia manampy ny olona hahita asa ary afaka manoro hevitra momba ny famoronana orinasa. Izy ireo koa no misahana ny fandoavana ny fanampiana ara-bola ho an’ny tsy an’asa “allocations de retour à l’emploi” fantatra amin’ny anarana hoe “chômage”.
Ny “Mairie” dia rafi-pitantanana eo an-toerana miandraikitra ny politika eo an-toerana. Ny tena anjara asany dia ny manampy ny olom-pireneny izay misedra fahasahiranana. Afaka mampahafantatra anao momba ny zonao sy ny fanampiana ara-bola misy izy ireo, manoro anao handeha any amin'ny fikambanana mifandraika amin'izany, ary manampy anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana sasany.
Ny “Associations” dia fikambanana manome tolotra isan-karazany. Ny sasany mifantoka manokana amin‘ny resaka fifindra-monina.
Mianatra eny amin‘ny Oniversite any Frantsa
Ny fianarana any amin'ny oniversite dia ahafahanao mahazo diplaoma, izay mety ilaina amin'ny…
Mitady vondron‘olona any Frantsa.
Rehefa lavitra ny fianakaviana sy ny namana, tena rariny sy hitsiny tokoa ny mahatsiaro tena ho…
Mitady asa sy manaraka fiofanana arak'asa any Frantsa
Mety ho sarotra tokoa ny mitady asa any amin'ny firenena tsy nahalehibe anao, indrindra raha tsy…