
Polisy sy fitsarana
Mety misalasala ianao amin'ny fanatonana ny rafi-pitsarana frantsay rehefa avy niharan'ny herisetra ao an-tokantrano. Na izany aza ny fametrahana fitoriana ofisialy no mety ho dingana lehibe izay mety hanampy anao any aoriana. Ohatra hoe ahazoana fiarovana araka ny lalàna, rehefa raharaham-pitsarana ho an‘ny fianakaviana, ho an‘ny zonao ipetraka eo an-toerana na hitadiavana trano. Hanaraka anao tsikelikely eny izahay ny amin‘ny dingana tokony arahina.
Fijoroana vavolombelona
Tena elaela aho vao mba nangataka fanampiana. Koa satria moa aho tsy nanana visa dia nihevitra aho fa tsy manana zo harovan‘ny polisy ny tenako. Nanao fandrahonana ahy ho faty ny vadiko taloha. Fantatro fa tandindonin-doza tokoa aho saingy natahotra mafy aho sao hampidirin‘ny polisy any am-ponja na handroaka ahy hiala any Frantsa izy ireo, rehefa mahita fa tsy manan-taratasy aho. Farany aho nahita fikambanana ho an‘ireo niharan‘ny herisetra teo akaikin‘ny tranonay izay nanampy ahy. Tamin‘ny farany dia nizotra tsara avokoa ny zavatra rehetra teny amin‘ny biraon‘ny polisy. Mbola mandeha eny foana ny fanadihadiana ary tsy azoko mihitsy hoe naninona aho no niandry ela saingy faly tokoa aho fa nanao izany.
Rehefa nandeha teny amin‘ny biraon‘ny polisy aho nametraka fitoriana dia nasain‘izy ireo nametraka “main courante”. Tsy fantatro hoe inona moa izany, ary satria tsy mahay teny frantsay aho dia tsy sahy nametraka fanontaniana. Roa taona taty aoriana dia tsy nahazo vaovao avy amin‘ny polisy aho ary nanontany tena hoe aiza ho aiza izay ny fanadihadiana. Dia teo ilay namako no nanazava tamiko fa ny “main courante” anie tsy mitarika ho amin’ny hetsika fa tokony “plainte” no nataoko. Nanoro hevitra ahy mba hiverina any amin'ny biraon‘ny polisy izy, saingy tsy te hiverina amin'izany rehetra izany intsony aho. Manenina aho fa tsy nahafantatra izany tany aloha ary tsy nanazava ny mahasamihafa izany tamiko ny polisy.
Indrisy fa niharan‘ny fanavakavaham-bolon-koditra maro aho teto Frantsa. Tsy mora mihitsy izany hoe vehivavy mainty hoditra ianao eto ary manao akanjo hijab. Hatramin‘ny nahatongavako teto dia tsapako teny foana ny fanambaniana. Tsy nisy niraharaha mihintsy aho. Nanapa-kevitra ny tsy hanaiky an'io fanavakavaham-bolon-koditra io intsony aho ary hiaro ny tenako. Nifandray tamin'ny Mpiaro ny Zon‘olombelona aho mba hitatitra ny fanavakavahana niaretako rehefa mitady asa sy trano. Manao asa an-tsitrapo amin'ny fikambanana iray aho isaky ny faran'ny herinandro mba hanampy ireo vehivavy mainty hoditra hafa ao Frantsa mba hiadiana amin'ny herisetra madinidinika sy fanilikilihana isan'andro.