
Fahasalamana ara-batana, ara-pananahana ary ara-tsaina
Na inona na inona endrika isehoany, dia mety hisy fiantraikany amin'ny fahasalamanao ara-tsaina sy ara-pananahana ary ara-batana ny herisetra rehetra. Any Frantsa dia afaka mahazo fitsaboana ara-pahasalamana avo lenta ianao na manao ahoana na manao ahoana ny toe-bolanao, ary na manana ianao na tsy manana zo ipetraka eo an-toerana.
Fijoroana vavolombelona
Tsy mbola nikasi-tanana ahy mihitsy ilay olon-tiako taloha fa ny azy dia any amin‘ny resaka vava avoaka. Tsy tsapako mihitsy hoe tena nisy fiantraikany goavana tamiko izany. Lasa tsy nilamina nyfomba fisakafoanako arytsy nahita tory mihitsy aho. Tsy nieritreritra mihintsy anefa aho hoe herisetra izany niainako izany. Nandresy lahatra ahy ny namako iray mba hanatonako psikology, satria hono mararin‘ny tahotra vokatry ny zavatra nanjo ahy aho. Nanaraka fitsaboana nandritra ny volana maro aho. Tsapako efa mihatsara tokoa aho ankehitriny.
Tratran‘ny rarintsaina aho taorian‘ny nisarahanay. Rera-dava foana aho, ary valaka tanteraka. Tsy afaka nanao ny asa fanaoko andavanandro intsony aho. Tsapako toa tsy misy ilana ahy izany. Nanomboka nieritreritra ny hamono tena aho. Tamin’izay aho no nanapa-kevitra ny hanatona mpitsabo aretin-tsaina. Nanome toky ahy izy fa ara-dalàna ny zavatra niainako, ary tsy nanana aretin-tsaina velively aho.
Taorian‘ny nisarahako tamin‘ny vadiko dia tena niaina toe-javatra tena sarotra tokoa aho: Tsy nanana taratasy, asa ary vola aho. Nila nijery dokotera aho kanefa tsy fantatro akory hoe ahoana no hahafahako miantoka izany. Hitako fa afaka mahazo fanampiana ara-pitsaboana avy amin'ny fanjakana aho, ary tena nanala vesatra goavana tamiko izany. Afaka nandeha dokotera aho ary nahazo ny fanafody nilaiko kanefa tsy nandoa na inona na inona akory. Nahazo fahazoan-dàlana hanorim-ponenana aho teo, izay nahafahako nahita asa, ka tsy mila an'io fanampiana io intsony aho.