
Fiomanana amin’ny fiarovana sy fiarova_rakan y ny lalà‘a
Ny fiarovana anao foana aloha no laharam-pahamehan‘. Indrisy anefa fa tandindonin-doza foana ianao rehefa miaraka amin‘ny vady tia mifehifehy na mahery setra, kanefa misy ireo vahaolana hiarovana ny tenanao sy ny zanakao. Raha tena anaty loza ianao dia antsoy ny polisy amin‘ny 17 na andefaso hafatra SMS izy ireo amin‘ny 114.
Fijoroana vavolombelona
Rehefa nanomboka nikasi-tanana ahy teo imason‘ny ankizy izy dia nanomboka tena raiki-tahotra aho. Saika voadoana mihitsy ilay zanakay voalohany satria niezaka niaro ahy. Kanefa tsy te hiantso polisy aho, natahotra mafy aho tsinona sao angataka ny taratasy momba ahy izy ireo. Farany aho niantso fikambanana manome fanohanana ireo niharan‘ny herisetra. Nazavainy tamiko ny mikasika ny lalàna mikasika ny fiarovana sy ny fanampiana momba ny lalàna ary nampiany aho nameno ilay taratasiko. Herinandro taorian’izay, dia noroahina niala tao amin’ny tranonay ilay vadiko, ary tsy nahazo alalana hanatona ahy izy. Koa satria moa amin‘izao aho dia efa miantoka ny hofan-trano dia miezaka ny mitady asa aho izao no sady ampian‘io fikambanana io ihany.
Izaho nihevitra hoe mandalo vanim-potoana misy fisedrana ara-panambadiana fotsiny izahay. Nihevitra foana aho fa ny vehivavy vonoin‘ny vadiny ihany no atao hoe iharan‘ny herisetra. Fotoana elaela mihitsy aho vao nahatakatra hoe kay izaho koa misedra herisetra ao an-tokantrano. Na dia teo aza anefa izany dia tsy sahy nandao ny tokantrano aho. Nijery tamin‘ny aterineto aho aloha dia teo aho no nahalala fa tena fotoana mampidi-doza tokoa ny fisarahana. Nanomana ny zavatra rehetra aho no sady nampian‘ny fikambanana mba hahazoana antoka momba ny fiarovana ahy sy ny an‘ny zanako.
Efa elaela ihany no nihamafy ny ady. Raha nanao zavatra nampahatezitra azy aho dia nivazavaza tamiko izy, nandrahona ahy. Avy eo izy miala tsiny. Nihevitra aho fa zavatra mandeha ho azy izany miady izany rehefa miaraka amin‘ny olona. Ny andro nanapahako hevitra fa handao azy aho dia nirehitra ny hatezerany ka nanomboka nahery setra be izy. Mba afaka nihidy niafina tao amin‘ny efitra iray aho ka niantso ny polisy. Raha tsy tonga teo angamba ry zareo dia tsy haiko hoe mety ahoana no nataony tao. Avy eo nanampy ahy nametraka fitoriana izy ireo ka hitady toerana hipetrahana vonjimaika mba handaminako kely.