Fijoroana vavolombelona
Tamin‘izaho tonga taty Frantsa dia tsy nahay niteny frantsay mihintsy aho na kely aza, kanefa tsy navelan‘ny vadiko nianatra. Tsy tiany hiasa ihany koa aza aho. Nilaza tamiko izy fa hikarakara ahy. Izy no nifehy ny zava-drehetra. Tsy maintsy nangataka vola taminy aho isaky ny handeha any amin’ny toeram-pivarotana lehibe. Na dia efa naharitra an-taonany maro aza izany, dia tsy tonga saina mihintsy aho hoe nisy olana, raha tsy nanomboka namono ahy izy, ary tsy maintsy niala tao aho. Henjana ny lalana, saingy tamin‘ny farany dia nahavita nanorina ny fiainako manokana tetoFrantsa ihany aho.
Rehefa nanomboka nampiseho herisetra izy, dia natahotra aho, saingy tsy hitako izay tokony hatao, satria nahatsapa ho meloka aho ary nihevitra fa izaho no diso tamin‘izany. Nony nanapa-kevitra ny handao azy aho ny farany, dia nandrahona ny hitory ahy tany amin’ny polisy izy satria tsy nanana taratasy ara-dalàna aho. Voafandrika tanteraka aho, saingy nahamenatra be ahy ny hitantara izany amin‘ireo olona akaiky amiko. Soa ihany fa nahita fikambanana nanampy ahy hahafantatra ny zoko aho ka nanampy ahy tamin‘ny diako. Mbola eo am-panarenana tanteraka aho izao.
Elaela mihitsy aho vao tonga saina hoe kay tena goavana be ilay olana. Tsy dia miresaka loatra momba ny fanolanana atao amin‘ny vady mantsy ny olona, ary tsy fantatro izay azoko atao amin'ny maha-mpifindra monina ahy. Teratany frantsay izy, izaho anefa vahiny: Tsapako hoe nino azy ny olona rehetra fa tsisy nino ahy. Ny olona rehetra koa mahita fa olona mahafinaritra tokoa izy. Raha ivelan‘ny fiarahanay aloha dia tena mamy hoditra izy, ary ny olona rehetra dia mihevitra fa lehilahy tsara izy, ary izaho ilay olona vahiny izay tsy azo atokisana. Rehefa mieritreritra an‘ireny fotoana ireny aho, dia gaga hoe nahoana ary aho no niandry ela be vao nanao zavatra.