
Fisintahana, fisaraham-panambadiana, fitazomana ny zaza
Mety hanahirana be tokoa ny lalàna momba ny fianakaviana any Frantsa, indrindra rehefa tranga iraisam-pirenena izany. Amin'ity fizarana itydia azavaina ny fomba fiasan'izy rehetra, ny tokony hataonao, ary ny fomba hahitana mpisolovava hanohana anao, na manao ahoana na manao ahoana ny vola eo antananao.
Fijoroana vavolombelona
Taorian'ilay herisetra dia zavatra iray ihany no tao an-tsaiko: hiverina hody any Brezila miaraka amin‘ny zanako. Valaketraka aho rehefa nahafantatra fa tsy afaka miala aho raha tsy nahazo alalana avy amin’ny rainy, na dia efa voaheloka ho nanao herisetra tao an-tokantrano aza izy. Mandra-pahatongan'izany, dia miara-mipetraka amiko ny ankizy, ary rehefa misy mpanara-maso ihany zay vao afaka mitsidika azy ny rainy. Koa satria moa tsy mahita asa mifandraika amin‘ny ataoko aho eto dia tokony miverina any amin‘ny fireneko aho. Vao nanomboka dingana araka ny lalàna vaovao aho mba hahazoana ny fanomezan-dàlana hody any aminay miaraka amin'ny zanako.
Tsy nampoiziko ho lava sy sarotra ilay fisaraham-panambadiana – haingana kokoa izany any amin‘ny firenena niaviko! Niandry taona maro be mihitsy vao tanteraka ny fisaraham-panambadiana. Ampiasain‘ilay vadiko taloha foana ny rafi-pitsarana frantsay mba handratrana ahy. Nataony izay azony atao mba handeha miadana eny ny zavatra rehetra. Niampanga lainga momba ahy izy ary koa satria moa izy teratany frantsay sy tena olona hajaina fatratra dia vitany koa aza ny nitaona olona hafa hijoro ho vavolombelona mandainga mikasika ny tenako, eny _ ana dia mbola tsy nifanatri-tava tamin‘ireny olona ireny aza aho! Tena nanahiran-tsaina ny nizaka izany. Soa ihany fa nanana mpisolovava mahay aho. Niditra tamin‘ny vondrona mpanohana amin‘ny aterineto natokana ho an'ny olona miteny anglisy ihany koa aho, tena nanohana tokoa izy ireo.
Herintaona ny zanakay no nisaraka izahay. Nanomboka teo dia tsy maintsy nandoa vola isam-bolana ny vadiko taloha mba hanampiana ahy ara-bola. Rehefa afaka volana vitsivitsy dia tsy nandoa tsotra izao fotsiny izy. Sahiran-tsaina be aho, saingy afaka nahita vahaolana aho raha nifandray tamin'ny Caf. Ankehitriny, mahazo volan-jaza amin’ny alalan’i Aripa aho, ary tsy manana ahiahy intsony aho mikasika ny faktiora tsy voaloa. Tsapako ho maivamaivana aho.