
Vola, trano fonenana, fahaleovantena
Mazava ho azy fa ny tahotra ny amin‘ny vola sy ny toerana hipetrahana dia mety hahatonga anao hahatsiaro ho voafandrika miaraka amin'ny vady tia mifehy na manao herisetra. Tsy mora mihitsy izany, fa misy ny vahaolana. Hasehonay eo ireo safidy isan-karazany hamerenana indray ny fahaleovantenanao.
Fijoroana vavolombelona
Izy no antony nandehanako taty Frantsa. Nialako ny asako be karama tany aminay, sady nahatsapa ho nisy vidiny sy nohajaina aho. Vao tonga aho dia tena tsy nahay niteny frantsay na kely aza. Tsy nety nahita asa aho. Tamin‘izahay nisaraka dia nogiazany avokoa ny vola tahiriko tany amin‘ny kaonty frantsay izay misoratra amin‘ny anarany. Tsy nanana na inona na inona intsony aho, ary tena gaga raha nahafantatra fa tsy misy zavatra azon‘ny polisy atao mihintsy. Raha tany amin‘ny fireneko dia herisetra ara-toekarena no hilazana izany, dia lasa nieritreritra aho hoe kay ara-dalàna ny herisetra ara-toekarena any Frantsa! Tsy hitako intsony ny volako. Tsy maintsy nanomboka tamin‘ny tsy misy aho, ary nanao izay asa hitako voalohany teny mba ho tafavoaka velona. Na dia teo aza izany rehetra izany dia faly amin‘ny fandrosoana vitako aho telo taona aty aoriana. Nianatra teny frantsay aho, nahita asa nifandray tamin‘ny fahaizako, manana namana mahafinaritra aho, ary afaka nanomboka nanangona indray tamin'ny farany.
Nihaona taminy aho rehefa tonga teto Frantsa, ary vetivety teo dia lasa nahery setratamiko izy. Nampanantena ahy foana izy fa tsy hanao izany intsony. Tsy ara-dalàna ny fipetrahako teto ary nolazainy fa tsy ho tafavoaka mintsy hono aho raha tsy eo izy. Tsy haiko avy aza moa ny toerana azoko aleha. Rehefa mandinika ny lasa aho, dia izao vao mahatsapa tena fa hay nataony izay hiankinako loha aminy tanteraka. Ny niafarany moa ny nataoko dia naka fotoana tamin‘ny fikambanana izay nanampy ahy hahatakatra fa niharan‘ny herisetra aho, ary nanampy ahy tamin‘ny fikarakarana taratasy izy ireo.
Satria moa izaho sembana dia tena sarotra amiko tokoa ny mahita asa. Tena nisedra olona ara-bola goavana tokoa aho taorian‘ny fisarahana. Soa ihany fa nihaona tamin‘ny mpiasa sosialy iray aho izay nampahafantatra ahy mikasika ny rafitra misy. Izao moa izany dia nahazo fanampiana ara-bola aho isam-bolana ary mahazo fanohanana avy amin‘ny Cap Emploi amin‘ny fitadiavako asa, ary nisoratra anarana amin‘ny fianarana mandihy aho dia lasa nanana namana betsaka tao.