Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…
Raha toa ianao ka manao fiaraha-mipetraka sivily frantsay fantatra amin‘ny hoe “Pacs” na firaisa-monina, ary ny fahazoan-dalana mba ipetrahana eo an-toerana na “titre de séjour”-nao dia miankina amin'ny fepetra hoe miara-mipetraka amin’ny vadinao ianao, dia azonao atao ny manasongadina ny herisetra an-tokantrano niainanao, ary mety ho azonao atao ny mitazona ny zonao hipetraka eo an-toerana raha misy fisarahana.
Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 06/10/2023
Tsy maintsy mahafeno ireto fepetra roa ireto ianao:
Raha mihatra aminao ireo fepetra ireo dia azonao atao ny manasongadina ny herisetra natrehanao ary mety ho azonao atao ny mitazona ny “titre de séjour”-nao.
Ny tompon‘andraikitra frantsay eto an-toerana misahana ny fanadihadiana ny fangatahana fahazoan-dalana ipetrahana fantatra amin’ny hoe “préfecture” dia tsy voatery hankato ny fangatahanao fa mety hanao izany izy.
Mila manome porofo momba ny herisetra ianao amin'ny fotoana hametrahana ny fangatahana.
Ny “préfecture” no handinika ny porofo mialohan’ny hanapahany hevitra raha hekena ny fangatahanao na tsia.
Inona no porofo tokony homeko?
Angony izay porofo rehetra ao amin'ny rakitrao izay mety ilaina, ohatra:
Azonao tazomina ny “carte de séjour temporaire” anao izay misy soratra hoe “vie privée et familiale” ka havaozy izany raha toa ka ankatoavin’ny “préfecture” ny fangatahanao.
Etsy andanin’izany, raha toa ka efa nametraka fitoriana an‘ilay mpanao herisetra ianao, ary mbola an-dalana ny raharaham-pitsarana dia azonao marihina amin’ny “préfecture” izany rehefa mangataka hanao fanavaozana ianao. Mety hihevitra izany izy ireo rehefa mandinika ny fangatahanao, na dia tsy takian‘ny lalàna aza izany.
Raha nipetraka tany Frantsa nandritra ny dimy taona ianao fara fahakeliny, na telo taona amin'ny tranga sasany, dia azonao atao ny mangataka “carte de résident”, raha toa ka mahafeno fepetra sasany. Te hahafantatra bebe kokoa
Amin’ny ankapobeny, ny fehezan-dalàna ao amin’ny rafitra fifindra-monina frantsay fantatra amin'ny anarana hoe “Le Code de l'entrée et du séjour des étrangers et du droit d'asile (CESEDA)” dia tsy mihatra amin'ny olom-pirenena Alzeriana satria fehezin'ny fifanarahana roa tonta ny satan'ny fifindra-monina misy azy any Frantsa.
Na izany aza, raha tsy niara-nipetraka amin’ny vadinao intsony ianao noho ny herisetra tao an-tokantrano dia mety hanapa-kevitra ny “préfecture” ny hitazona ny zonao ipetraka eo an-toerana ka mijery ny toe-javatra misy anao.
Noho izany, tsara tokoa raha asongadina fa niharan‘ny herisetra tao an-tokantrano ianao ka manome porofo hanohanana ny fangatahanao.
“La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.
“Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.
Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.
Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.
Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…