Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…
Ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana na ny “titre de séjour”, dia azo omena ireo olona izay miara-miasa amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fitoriana na fijoroana vavolombelona momba ny fanondranana olona an-tsokosoko sy/na ny asa fivarotan-tena.
Nohamarinin’ny FNCIDFF tamin’ny 06/10/2023
Tsy maintsy mahafeno ireto fepetra roa ireto ianao:
Lalàna manan-kery Andininy L.425–1 sy ny L.425–3 ao amin’ny “CESEDA”.
Fanamarihana: rehefa avy nanao ny fangatahanao hahazo “titre de séjour” teny amin’ny rafi-panjakana frantsay izay fantatra amin’ny hoe “préfecture” ianao, dia hanana fe-potoana hakana saina mandritra ny 30 andro mialohan’ny hanapahanao hevitra na hametraka fitoriana ianao, na hijoro vavolombelona. Rehefa mandefa fangatahana ianao, ny “préfecture” no hanome anao rosia na “récépissé” mandritra io fotoana io izay hanome alalana anao hijanona sy hiasa any Frantsa.
Hahazo kara-ponenana vonjimaika na “carte de séjour temporaire” ianao izay milaza hoe “vie privée et familiale” na fiainana manokana sy fianakaviana. Manan-kery mandritra ny herintaona izany. Ahafahanao miasa izany.
Mety ho azo havaozina izany mandritra ny fotoanan'ny raharaham-pitsarana.
Mandritra io vanim-potoana io dia mety ho afaka mahazo fanampiana ara-bola antsoina hoe fanampiana ho an'ny mpitady fialokalofana na “allocation de demandeur d’asile” ianao, raha toa ka mahafeno fepetra sasantsasany.
Hahazo “carte de résident” manan-kery mandritra ny folo taona ianao, raha toa ka voaheloka tanteraka ilay voampanga ary raha mipetraka any Frantsa ianao.
Raha tsy mahafeno an'io fepetra io ianao fa nipetraka tany Frantsa nandritra ny dimy taona farafahakeliny, na telo taona amin'ny toe-javatra sasany, dia mety mbola hahazo “carte de résident” ihany raha toa ka mahafeno fepetra. Te hahafantatra bebe kokoa
Amin'ny ankapobeny, ireo fepetra ireo dia tsy mihatra amin'ny olom-pirenena Alzeriana, satria ny satan'ny fifindra-monina any Frantsa dia fehezin'ny fifanarahana teo amin‘ny roa tonta.
Na izany aza, ny tomponandraikim-panjakana misahana ny fandinihina ny fangatahana ny “titre de séjour” izay fantatra amin’ny hoe “préfecture” dia mety mbola hanapa-kevitra ny hamela anao hahazo izany. Noho izany dia tsara tokoa raha toa ianao ka manao fangatahana sy manasongadina fa mahafeno ireo fepetra voalaza eo ambony.
“La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.
“Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.
Ny “Associations” dia ireo fikambanana izay manome tolotra isan-karazany. Manampahaizana manokana amin‘ny fifindra-monina ny sasany.
Ireo fikambanana nahazo alalana na “associations habilitées” no afaka manome tolotra avo lenta manokana ho an’ireo mpitady fialokalofana.
Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa
Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…
Manakarama mpisolovava any Frantsa
Ny mpisolovava dia manana anjara toerana lehibe mandritra ny fitsarana. Zava-dehibe ny fifidianana…