Mangataka antontan-taratasy antsoina hoe “visa de retour” raha toa nisy nangalatra na very tany ivelany ny “titre de séjour”-nao

Raha tsy any Frantsa ianao amin'izao fotoana izao ka very na nisy nangalatra ny “titre de séjour”-nao na ny fahazoan-dàlana ipetraka any an-toerana, dia azonao atao ny mangataka taratasy antsoina hoe “visa de retour” eny amin’ny kaonsiolà frantsya mba hahafahanao miverina any Frantsa.

Nohamarinin'ny La Cimade tamin'ny 31/01/2024

Inona no tafiditra amin'izany?

Raha very na nisy nangalatra ny fahazoan-dàlana ipetrahana any an-toerana na “titre de séjour” raha tany ivelany ianao dia azonao atao ny mangataka antontan-taratasy antsoina hoe “visa de retour” avy amin’ny kaonsiolà frantsay mba hahafahanao miverina any Frantsa.

Mety ihany koa ity fitsipika ity raha toa nangalarin‘ny vadinao ny “titre de séjour” anao. Lalàna manan-kery Andininy L.312–4 ao amin’ny “CESEDA”.

Ahoana ny fanaovana azy

Tsy maintsy mangataka ny visa fiverenana na “visa de retour” any amin’ny kaonsiolà frantsay izay misy anao ankehitriny. Tsy maintsy mampandre ireo manampahefana eo an-toerana aloha ianao fa very na nisy nangalatra ny “titre de séjour” anao.

  • Tsy maintsy manana pasipaoro manan-kery ianao raha te hangataka “visa de retour”.

    Raha toa ka very na nisy nangalatra ny pasipaoronao dia tsy maintsy mangataka pasipaoro vaovao amin'ny manampahefana ao amin'ny firenena misy anao aloha ianao.

    Rehefa manana pasipaoro manankery ianao dia afaka mifandray amin'ny kaonsiolà frantsay any amin'ny firenena misy anao mba hangataka “visa de retour”. Ny antsipirian’ny ifandraisana dia azo jerena ao amin’ ity tranokala ity.

    Mila manome ireto antontan-taratasy manaraka ireto miaraka amin'ny fangatahanao ianao:

    • Ny taratasy fangatahana feno sy vita sonia
    • Sary roa mahafeno ny fenitra nangatahan‘ny kaonsiolà
    • Ny pasipaoronao (dika tany am-boalohany)
    • Ny dika mitovy ny pasipaoronao: ny pejy 5 voalohany sy ny pejy rehetra misy visa na hajia manamarika ny fidirana sy fivoahana avy any amin'ny firenena Schengen, Etazonia ary Royaume-Uni
    • Antontan-taratasy mampiseho ny sata-panambadianao ary ny firafitry ny ankohonanao navoakan’ny kaonsiolà anao, fantatra amin’ny anarana hoe “fiche familiale d’état civil”, na firaketana momba sata sivily ny ankohonana, natao tao anatin'ny telo volana farany, amin'ny teny frantsay (dika tany am-boalohany)
    • Taratasy nosoratanao sy nosoniavinao manazava ny antony hangatahanao “visa de retour” (dika tany am-boalohany) ary manondro ny adiresinao any Frantsa
    • Ny fanambarana zavatra very na nisy nangalatra nataonao tamin'ny manampahefana eo an-toerana (dika tany am-boalohany sy dika mitovy)
    • Ny porofo rehetra momba ny fonenanao mahazatra any Frantsa, ohatra: taratasy fanamarinana sekoly ho an'ny zanakao, boky firaketana momba ny fahasalamanao na taratasy fanamarinana fiahiana ara-tsosialy, sns.

    Tokony hahazo valiny ianao ao anatin'ny roa volana.

  • Raha toa nahazo “visa de retour” ianao dia afaka miverina any Frantsa miaraka amin’ity antontan-taratasy ity.

    Vantany vao miverina any Frantsa ianao dia afaka maka fotoana hihaonana amin’ny manampahefana frantsay eo an-toerana fantatra amin’ny anarana hoe “préfecture” eny amin’ny vakim-paritra misy anao mba hangataka “duplicata” na dika mitovy ny “titre de séjour” na ny fahazoan-dalana ipetraka eo an-toerana izay very na nisy nangalatra, na hangataka “titre de séjour” vaovao raha toa ka lany daty ilay iray taloha.

    Mariho azafady fa: ny “préfecture” dia afaka mamerina mijery raha mbola mahazo alalana amin’ny “titre de séjour” izay angatahanao ianao vantany vao tonga any Frantsa.

  • Raha nolavina ny fangatahanao dia azonao toherina ny didy ka mampiakatra ny raharaha na “recours”, eny amin’ny sampandraharaha tomponandraikitra fantatra amin’ny hoe “Commission de recours contre les décisions de refus de visa”.

    Tsara tokoa raha amin‘ity dingana ity ianao ka ampian‘ny fikambanana mpanao asa soa na "association" izay misahana manokana ny lalàna mikasika ny teratany vahiny na mpisolovava.

Mitadiava fanohanana

Any Frantsa dia misy sampandraharaha maro afaka manohana anao, manome torohevitra anao ary manampy anao amin'ny dingana tokony hatao sy ireo karazana antontan-taratasy ilaina. Maimaimpoana ny ankamaroan‘izy ireo.

  • La Cimade” dia fikambanana miompana amin’ny fanohanana ireo mpifindra monina rehetra, ary ireo mpitsoa-ponenana any Frantsa, indrindra olona miatrika herisetra.

    • Tsy andoavam-bola ny fanaovana an‘izany.
    • Afaka mampahafantatra anao sy manohana anao amin'ny dingana arahina ara-panjakana mifandraika amin'ny zo hipetraka any Frantsa izy ireo, ary hitarika anao amin'ireo tolotra hafa miankina amin'ny toe-javatra misy anao manokana.
    • Teny azo isafidianana: Frantsay, Anglisy ary Espaniola
    • Fifandraisana:
      • tsy mila maka fotoana any amin’ny ivotoerana manakaiky anao
      • amin’ny telefaona amin’ny 01 40 08 05 34 na 06 77 82 79 09 isaky ny Alarobia amin’ny 9:30 maraina hatramin’ny 1:30 hariva ary amin’ny 2:30 hariva hatramin’ny 5:30 hariva.
  • Gisti” dia fikambanana mifantoka manokana amin’ny fanomezana torohevitra mikasika ny lalàna ho an’ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana any Frantsa.

    • Tsy andoavam-bola ny fanaovana an‘izany.
    • Ho afaka hampahafantatra anao momba ny zonao mifandraika amin'ny zonao hipetraka eo an-toerana izy ireo, ary hanazava ny fomba hahazoana izany.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana:
      • Amin’ny alalan’ny telefaona amin’ny +331 84 60 90 26 ny alatsinainy hatramin’ny zoma manomboka amin’ny 3 hariva hatramin’ny 6 hariva ary koa amin’ny 10 maraina hatramin’ny 12 atoandro ny alarobia sy ny zoma. Indraindray mety be mpiantso be ao dia aza kivy. Mora kokoa indraindray ny miantso azy ireo ny harivariva any ho any.
      • Amin’ny alalan’ny paositra amin’ny “Gisti, 3 villa Marcès 75011 Paris, France”. Ataovy fanontana dia fenoy ity taratasy ity ary ampidiro ao amin’ny taratasinao miaraka amin’ny dika mitovy ny antontan-taratasy izay mety ilaina. Aza adinoina ny mamaritra mazava araka izay azo atao ny fanontanianao, ao anatin'izany ny zava-drehetra mety hanampy ny mpanolotsaina “"Gisti"” hahatakatra ny toe-javatra misy anao.
  • Associations” dia ireo fikambanana izay afaka manome tolotra isan-karazany. Ny sasany misahana manokana ny resaka fifindra-monina.

    • Maimaimpoana ireo tolotra ireo.
    • Afaka mampahafantatra anao mikasika ireo zonao any Frantsa izy ireo, ary indraindray manohana anao amin‘ny izay tokony atao amin‘ny fifindra-monina.
    • Fiteny misy: Frantsay no tena ampiasaina.
    • Fifandraisana: Afaka mikaroka isaky ny faritra sy ny vakim-paritra ianao ao anatin’ity lahatahiry ity.

Na dia natao aza ny rehetra mba hanomezana anao ny fampahalalana marina sy manaraka ny toetr‘andro indrindra dia tsy afaka manolo torohevitra ara-dalàna na matihanina akory ity pejy ity. Miova tsy tapaka ny lalàna sy ny fomba fiasa ka ilaina ny manatona olona matihanina sy tena mahay.

Mety hahaliana anao koa

Hanamarina raha mahafeno fepetra hahazo zo ipetrahana any Frantsa

Natao hanampiana anao hamantatra ny antony na “fondements” izay mety manome anao zo ipetrahana any…

Raha mila polisy:

Asosa mankany ambony